4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mihevera ianao - Zo Ryan

Hadinoy ihany koa izy satria efa nanadino anao

Ianao aza nilaozany nangaina irery foana teo

Ny azy koa ny fitiavany tsy navelany ho anao intsony

F’efa nafindra toerana vaovao

Natolony ho an’olon-kafa indray



Mihevera ianao, hadinoy izy

Avelao izy amin’zay tiany

Toneo ny fo fa tsy izy irery no afaka hitia anao

Halaviro ny famoizam-po ny anjaranao tsy ho very

Fa manam-pitia be dia be

Ka aleo izy handeha raha lao



Aza miaiky hoe tena resy ianao

Tsy izy irery ihany no azo antenaina

Ka ny hambo-ponao indray no ataovy fantany

Dia handresy ianao rehefa any indray andro any

Partager mihevera ianao

Commenter mihevera ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zo Ryan